You are here: home > Tononkira > Voahangy

Manina Anareo (Voahangy)

Rehefa mihamaizin-takariva ny andro aty manina anareo any aho,
Rehefa injay fa ho menafify ny masoandro aty manembona ireo havako aho ;
Torovandrovan’alahelo ny fo fa singa-manirery aty,
Mahatsiahy irony takariva mamy niarahantsika taty.

Raha mitazana iny faravodilanitra iny, embona anareo no ao am-po ;
Maika koa toa mampitombo ny alaheloko fa mampatsiahy ny taloha.
Na dia manimanina aza tsy misy izay mba hanafarako
Hafa tsy iny volana iny angamba notononkira.serasera.org hitarainako.

Tsinjonao ve ilay vohitra nilaozako, hono hoy aho ?
Tazanao ve zandry tiana faly sy milalao ?
Dada sy Neny, mbola ho avy hoe ny fotoana izay
Hiverenako any, ny fifaliantsika hiverina indray.

Singan’olo-manirery ity miangavy anao, ry volana o mba mivilia ;
Ny taratrao no antenaiko hitondra ny hafatro mba hibitsika fitia.
Fa ianao no tazako eto mantsy ho tsinjon’izy ireo koa hatrary,
Mba ento ny aza manadino avy amiko singan-drery aty.

Tsinjonao ve ...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Voahangy
Mpamaky : 3502
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : pissoa
Tamin'ny : 29/10/2006 15:28:39
ID : 3983

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo