Ho an'ireo voromanga (Voahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Voninkazo iray efa mila ho maina
No hany sisa mba hita amin'ity zaridaina
Niharitra ny hafanana sy ny ora-mikija
Kanefa tsy mihontsona fa mbola mirija

Fa nankaiza daholo ireo voro-manga
No dia zary mangina toa haolo sy banga
Tsy mba heno intsony ireo kalo fahiny
Feonkira hafa indray no re ankehitriny

Tsara ireo hira vao kanefa tsarovy,
Fa raha mahay mihira ny railovy.
Tsy ambakan'ireo (tsy ambakan'ireo),
Tsy mataho-mitranga (mataho-mitranga)
Ireo kalo fahiny sy ireo voromanga.

Tsara ireo hira vao kanefa tsarovy,
Fa raha mahay mihira ny railovy.
Tsy ambakan'ireo (tsy ambakan'ireo),
Tsy mataho-mitranga (mataho-mitranga)
Ireo kalo fahiny sy ireo voromanga.


Any andro any taona ho kila ho maina,
Koa dia hangasihasy ity zaridaina.
Nefa kosa ireo feomanga rehetra
Izay tena zava-kanto tsy maintsy mitoetra.
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 13/11/2022 23:38)
Hira sendra nandalo tao amin'ny Radiovazogasy dia napetrako teto.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voahangy
Vangy : 445
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 13/11/2022 22:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1686