Misaotra (Vlm Sahy Ambatonjara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Nidina tety Ianao Jesosy oh
Nisolo voina ny heloko Ianao
Noratraina sy nohelohina
Noharatsiana ka natao tsinontsinona

Nefa Ianao anie dia marina
Zanaky ny Ray avy any an-danitra
Hitondra ny heloko sy ireo otako
Teo amin'ny hazo fijaliana

Ref:Ka misaotra Anao izahay ry Ray
Fa mbola nomenao ny Zanakao
Nalefanao tety hamonjy anay
Fa tsisy ho tianao very na dia iray
Ka nahazo ny famonjena
Avy aminao Jesosy, nanetry tena

2-Ka inona re no havaliko Anao
Amin'ny soa lehibe izay nataonao ho ahy
Fa raha tsy nanaiky Ianao
Dia ho aiza oa izahay
Jesosy oh,Misaotra Anao aho!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vlm Sahy Ambatonjara
Vangy : 424
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Vlm Sahy Ambatonjara
Daty : 23/07/2022 10:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1742