You are here: home > Tononkira > VLM 67Ha

Ato am-poko mandrakizay (VLM 67Ha)

Toa nahaonena re! Nampivarahontsana
Nangoraka ery ny fo, toa tsy nino
Fa maty ny Tomponay
Maty noho ny helokay
Zany fitiavanao ho ahy ry Ray ato am-poko mandrakizay

Indro izao efa resinao ilay fahafatesana
Nangoraka ery ny fo fa voadio
Velona ny Tomponay
Velona mba hamonjy anay
Zany fitiavanao ho ahy ry tononkira.serasera.orgRay ato am-poko mandrakizay

Ka mba inona re no havaliko lay fitiavam-be Jesosiko
Moa ve tsy fitiavana ihany koa

Tiako loatra ianao Jesosiko
Indro aho avaozy ho anao

Ny ra nalatsakao ho avotro
Sy ho tokin’ny fiainako

Ka manomboka izao dia tsy hiala aminao
Mpamonjy tia ô!

Fa fitiavana madio tokoa re no itiavako anao Tompo ô

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VLM 67Ha
Mpamaky : 601
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : TOUNAX
Tamin'ny : 16/04/2017 20:03:36
ID : 9365

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo