You are here: home > Tononkira > VLM 67Ha

Santatra (VLM 67Ha)

Misaotra ny Ray be fitia be fitia
Nanolotra ny zanany ho ahy sy ho anao
Hamonjy sy hanafaka
Hanome fiainana soa sy vaovao
K’izaho izay mpanota, saiky very
Noraisiny, natsangany ho zanany
Hiaraka handova Aminy
Sy ireo mpino marobe
Ref: Santarina entoana ilay fiainana mandrakizay
Ilay fiainana sambatra fiainana anilan’ny Ray
Tsy ho tsaroana intsony irony hakiviana
Fa tompon’ny hery no indro itoakiana
Manobe fiadanampo feno tokoa
Iray ny fo ho iray saina koa isika
Fa samy zanaky ny RTsiky dia ampyay, mpandova Paradisa
Izaho tokinao, ianao tokiko
Dia hiaraka isika, hiara tafita
Ho any anilan-dRay, Mandrakizay
He feno hafaliana tokoa ny foko
Fa ny amiko, ny ampitsoko, ny fianako
Dia efa ampelatanany
Kolokoloiny aho, tantanany
Tsy misy intsony mampanahy
Fa feno fahatokiana fo sy fanahy
Efa ahy ilay tena fiainana
Hatrety ka ho doria
Ref:…
Ho anao koa izany fiainana izany
Ianao koa, tiany mba handova izany
Manantona ary anilay Kristy
Dia hiaraka isika, sy hifankatia
Misantatra ety ilay fiainana ary
Ref:…?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VLM 67Ha
Mpamaky : 581
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : TOUNAX
Tamin'ny : 16/04/2017 20:06:19
ID : 9366

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo