You are here: home > Tononkira > VLM 67Ha

FEO MIANTSO (VLM 67Ha)

Mba renao ve Jesoa,
Miantso anao izao, aiza ianao
Renao ve zao feo izao
fa Izy miantso anao manambitamby anao

Mba renao ve Jesoa,
Miantso anao izao, aiza ianao
Renao ve zao feo izao
fa Izy miantso anao manambitamby anao

Aza mihevitra hoe zao sy izao
Dieny izao tapaho ny havitrao
Raiso Jesosy fa Izy no eto izao
Mandona ao ambaravarana

Ho anao mande izao
Reo ota ratsinao avelao
Fa Jesosy tia anao
Fa Izy vonona mitrotro anao izao

Izy anie tsy mba manavaka
Fa raisiny ireo zay mibebaka
Izy no lalana sy fahamarinana
Raiso Jeso fa fiainana vaovao

Heverinaotononkira.serasera.org anie ny fiainana ety
Maizina
Fa Jesosy toky ho anao
Ka atolory Azy izao ny fiainanao

Ho maivana izao ny entanao
Raha Jesoa toky iantsapazanao
Matoky fa Izy no hiaro anao
Ambany elatra fiandanana

ooooooooooooooo
(i Jesosy miandry anao, efa niandry ela tao mandona ao ambaravaranao, manambitamby anao tsy tiany ho very anao. Vohay izao .... fa miandry anao)

Izy anie tsy mba manavaka
Fa raisiny ireo zay mibebaka
Izy no lalana sy fahamarinana
Raiso Jeso fa fiainana vaovao

FEO MIANTSO - Audio Album en DVD VLM 67Ha.
Mandroso, Mampandroso
Contact: +26 134 02 028 17 et +26 132 40 028 17

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : VLM 67Ha
Mpamaky : 943
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : VLM 67Ha
Tamin'ny : 25/02/2016 14:18:00
ID : 8087

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo