You are here: home > Tononkira > Vahombey

Hira fiarenana (Vahombey)

Fatim-pijirika no nahafikitra ahy
Nanondrana ahy tanaty sambom-bazaha
Saingy vao voasambotra aho
Tanaty helo kitrokitroka

Ny tànako no navonkon’ny
An’ilay Mpahary an-tampony
Atolotsika ny taranaka
Hery sy tanjaka

Ndeha zareo hampiara-peo
Ireo hiram-panafahana
Satria ny hany harenako
Hira fiarenana
Hira fiarenana

Miavotà tena tsy ho andevo toe-tsaina
Isika ihany no hany hanavotra antsika
Aza mavozo ‘zay herijika atômika
TsyTsiky dia ampy mahatampina fotoana anie ireo

Ripahany hatrany ny antsika ny mpaminany
Isika mitazam-potsiny, miepoka hatrany (edreiiy !)
Ny sasany indray miàla ilàny hoe
Efa lahatra voasoratra, hono, izany

Ndeha zareo hampiara-peo
Ireo hiram-panafahana
Satria ny hany harenako
Hira fiarenana
Hira fiarenana

Ny hany harenako
Hiram-panafahana
Hiram-panafahana
Hiram-panafahana


Vahömbey, Antsirabe 27 aprily 2016


(dika malalak'ilay hiran'i Bob Marley, "Redemption song")

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Vahombey
Mpamaky : 901
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 28/04/2016 10:52:53
ID : 8482

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo