Hira fiarenana (Vahombey)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fatim-pijirika no nahafikitra ahyNanondrana ahy tanaty sambom-bazaha
Saingy vao voasambotra aho
Tanaty helo kitrokitroka
Ny tànako no navonkon’ny
An’ilay Mpahary an-tampony
Atolotsika ny taranaka
Hery sy tanjaka
Ndeha zareo hampiara-peo
Ireo hiram-panafahana
Satria ny hany harenako
Hira fiarenana
Hira fiarenana
Miavotà tena tsy ho andevo toe-tsaina
Isika ihany no hany hanavotra antsika
Aza mavozo ‘zay herijika atômika
Tsy mahatampina fotoana anie ireo
Ripahany hatrany ny antsika ny mpaminany
Isika mitazam-potsiny, miepoka hatrany (edreiiy !)
Ny sasany indray miàla ilàny hoe
Efa lahatra voasoratra, hono, izany
Ndeha zareo hampiara-peo
Ireo hiram-panafahana
Satria ny hany harenako
Hira fiarenana
Hira fiarenana
Ny hany harenako
Hiram-panafahana
Hiram-panafahana
Hiram-panafahana
Vahömbey, Antsirabe 27 aprily 2016
(dika malalak'ilay hiran'i Bob Marley, "Redemption song")
--------
Link: