Teny fiainana (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Masina ny teninaoNentin’ireo irakao
Ho an’ny olona rehetra eto an-tany
Ka mba hanompo anao hatrany
Ireo nania nantsoinao
Ka nomenao hery vao
Mba hanompo Anao ambaram-pialany eto
‘Ndeha hizotra tsy hisento
Fa ny teny fiainana
Ho an’ny olon-drehetra
Tsy mba misy ho diso anjara
‘Zay mandray ny teny izay ambara
Aza miandry fotoana ela intsony
Na mangatak’andro
Tapaho anio izay hevitrao
Ny fisalasalana ataonao
Ho zary ho nenina any aoriana
Efa nafafy ny teny
Naely ombieny ombieny
Mitsangana mijoroa ianao
Hitarika ireo namanao
Maro ireo tsy mahalala
Misy nisitaka niala
Anjaranao no mitory ny teny soa
Ho an’ireo ‘zay tsy manoo
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAHits : 244
Likes : 0 Like
Created by : Njaranjara
Date : 13/03/2025 11:27
