Ny Raosin'ny Sarona (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny Raosin'ny Sarona mamerovero re
Ravakon'ny saha feno hanitra
Hafa-po ny manan'Azy na iza razana
Na izay ambony voninahitra

Jesosy re no raozy tsy mana namana
Lay Mpanjaka hirakin'ny lanitra
Hafa-po ny manan'Azy na iza razana
Na izay ambony voninahitra

Jereo ny voninkazo mahafinaritra
Ary koa mandefa fofo-manitra
Nefa kosa izy ireny tsy tonga lafatra
Ka tsy mety ho toy ny voninahitra

Jesosy re no raozy tsy mana namana
Lay Mpanjaka hirakin'ny lanitra
Hafa-po ny manan'Azy na iza razana
Na izay ambony voninahitra

Jesosy voninkazon'Andriamanitra
Sambatra ny fo mihaino Aminy
Fifaliana sarobidy sy tonga lafatra
Fitahiaa no narotsany aminao

Jesosy re no raozy tsy mana namana
Lay Mpanjaka hirakin'ny lanitra
Hafa-po ny manan'Azy na iza razana
Na izay ambony voninahitra

Jesosy re no raozy tsy mana namana
Lay Mpanjaka hirakin'ny lanitra (Lanitra)
Hafa-po ny manan'Azy na iza razana
Na izay ambony voninahitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA
Vangy : 55
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njaranjara
Daty : 21/03/2025 08:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1762