Ny Mesia (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Terak'ilay Mpamonjy antsika
Teraka any Jodia
Ndreo ny Anjely maro tsy hita isa
Mankalaza sy midera ilay Mesia

Izy 'lay teny tonga nofo
'Zay nolazaina hatrizay
Ka na maro aza ireo nifofo
Tsy mahasakana ny zanaky ny Ray

Tsy vola aman-karena be
No ho entinao hiderana Azy re
Fa ny tenanao no atoloro anio
Mba hitoerany ho Azy ankehitrio

Raiso ka ambarao amin'ireo namanao
Fa ny Tompo tonga ho anao
Raiso ka ambarao ho an'ireo 'zay nandao
Fa Jesosy re no teraka
Teraka ho anao

Lay Jesosinao
Avia hianao, avia ankalazao

Tsy ny haingo mirenty kanto re
Na ny fitafy lafo vidy be
No entinao mba hiderana an'i Kristy
Fa ny fonao no atolory ho lapany

Izay mianjady amin'ny fiainanao
Fa ny Tompo no avy hitady
Ilay Tomponao
Raiso Izy izao
Avia hianao
Avia ankalazao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA
Vangy : 60
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njaranjara
Daty : 18/03/2025 08:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.247