Tampoka avy teo (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandritry ny androm-panadinana no niseho ity tantara
Marobe ‘reo mpifaninana nijoro sy niandry fiara
Avy eo aho de nahatsikaritra tovovavy kely izay
Nijoro ery alavidavitra tsy dia akaiky loatra ahy

Asa aloha raha ‘zay anjely
ny endriny toa mahafatifaty kely
Tsy dia be haitraitra fa de nanaitra


Ref Tampoka avy teo nifampitodika
Dia samy avy eo de niondrika
Ny fiotanam-po nidobodoboka mafy tokoa
Dia nifampijery nifampitsiky kely
Toa tsy an-kiteniteny
Mifono hevitra ampitaina tsy hay lazaina


Nony afaka ‘ray volana tafahaona indray ‘zahay
Nifanesika ‘reo olona tam’ valim-panadinana
Tazako izy fa sahirana nitady ny anarany
Ka izaho no nanatona sady koa mba niangaviany
Oh oh
Hafaliana feno tokoa
Fa dia samy tao ny anaranay roa
Ka nifampiarahaba sy nilazalaza ny momba anay


Ref Tampoka avy teo nifampitodika
Dia samy avy eo de niondrika
Ny fiotanam-po nidobodoboka mafy tokoa
Dia nifampijery nifampitsiky kely
Toa tsy an-kiteniteny
Mifono hevitra ampitaina tsy hay lazaina


Nanomboka teo dia mpinamana izahay roa
Nifankatia tsy nifankafoy





Tovo J’Hay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tovo J'Hay
Vangy : 6622
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : botakely
Daty : 22/08/2006 13:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0812