Tampoka avy teo (Tovo J'Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandritry ny androm-panadinana  no niseho ity tantara
Marobe ‘reo mpifaninana  nijoro sy niandry fiara
Avy eo aho de nahatsikaritra  tovovavy kely izay
Nijoro ery alavidavitra   tsy dia akaiky loatra ahy

Asa aloha raha ‘zay anjely
ny endriny toa mahafatifaty kely
Tsy dia be haitraitra  fa de nanaitra


Ref  Tampoka avy teo    nifampitodika
        Dia samy avy eo     de niondrika
        Ny fiotanam-po    nidobodoboka mafy tokoa
        Dia nifampijery     nifampitsiky kely
        Toa tsy an-kiteniteny  
        Mifono hevitra ampitaina  tsy hay lazaina


Nony  afaka ‘ray volana tafahaona indray ‘zahay
Nifanesika ‘reo olona    tam’ valim-panadinana
Tazako izy fa sahirana    nitady ny anarany
Ka izaho no nanatona    sady koa mba niangaviany
Oh oh
Hafaliana feno tokoa
Fa dia samy tao ny anaranay roa
Ka nifampiarahaba sy nilazalaza ny momba anay


Ref  Tampoka avy teo    nifampitodika
        Dia samy avy eo     de niondrika
        Ny fiotanam-po    nidobodoboka mafy tokoa
        Dia nifampijery     nifampitsiky kely
        Toa tsy an-kiteniteny
        Mifono hevitra ampitaina  tsy hay lazaina


Nanomboka teo  dia   mpinamana izahay roa
Nifankatia    tsy nifankafoy





Tovo J’Hay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tovo J'Hay
Visites : 6785
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : botakely
Date : 22/08/2006 13:32
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0781