You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Manomboka eto (Tovo J'Hay)



Nidoboka ho azy ny fo
Ny anao koa dia toy izany koa
Fa toy ny efa nifanena tsotra zao
Izaho sy ianao

Ny masonao mijery ahy
Tsy vaovao fa toa efa mahazatra ahy
Toa sary efa hitako izany
Tany ho any

Na izaho na ianao
Samy manana ny fomba fanao
Nefa toa moramora ny mifankatia
Ka miantso anao ho Avia!!

Ref Manombok ‘eto ny fo hifankatoa
tononkira.serasera.orgDia hifandray ny tanantsika roa
Aleo ho avy zay mbola hitranga eo
Fa ho raisintsika ho namana
Ho zaraintsika fitiavana avy eo

Rah sendra ka diso famindra
Eo no tiako ho lazaina indrindra
Tsy mety raha toa mibaribary
Ny tsiparifary

Indraindray ianao te hiantso fa very
Eto aho fa tsy hamela irery
Antsoy raha sendra mangina
Fa tsy misy tsiny





A&C:  Tovo J’Hay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 1105
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ralayzik
Tamin'ny : 22/02/2017 20:25:30
ID : 9184

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo