You are here: home > Tononkira > Tovo J'Hay

Hirao tsotra (Tovo J'Hay)



Vetivety teo, dia dify sahady ilay fotoana
Dia tsy hitahita akory
Dia hoe mandram-pihaona
Reko midoboka ny fonao avy any
Mipitrapitra kely,
Ny maso te hitomany

Ref :  Hira tsotra no hirao
Ho ren’izao tontolo izao
Gadona sy angola tsy mety lefy
Hampihaona indray ilay fo tsy misy fefy
Hira tsotra no hirao
Ho ren’izao tontolo izao
Hirahira vita tsinjery
Ka na alina  mangina aza dia tsy ho irery

ToTsiky dia ampya mifandrirotra,
misy feo mifangaro
Hijanona sa handeha,
Baraingo be dia be,
Ny molotrao miteny,
ny masona mijery mahafatifaty
Toa randrana voarary,
voairakitra anaty

Ref :  Hira tsotra no hirao
Ho ren’izao tontolo izao
Gadona sy angola tsy mety lefy
Hampihaona indray ilay fo tsy misy fefy
Hira tsotra no hirao
Ho ren’izao tontolo izao
Hirahira vita tsinjery
Ka na alina  mangina aza dia tsy ho irery


A&C : Tovo J’Hay

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tovo J'Hay
Mpamaky : 2579
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ralayzik
Tamin'ny : 22/02/2017 20:23:56
ID : 9182

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo