Miandry anao aho (Tif à Tif)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
an ... miandry anao aho
an... miandry anao (x2)

Pont: Na hifafy, na hikija, na hifafy ny oram-be; miandry anao aho
Na oviana, n'aiza n'aiza, tsy voafaritra hoe hatraiza; miandry anao aho

Lasalasa saina aho indraindray, toa mandatsa-tena aho: haiko ve ny mitia?
Lasa saina ihany aho indraindray

Ref (x2): Fa na lavitra, na akaikinao, tsy noterena f'izaho no nampijaly ahy
Na ho lavitra, na akaikinao, tsy manadino n'aiza n'aiza ilay toky nomenao

an ... miandry anao aho
an... miandry anao (x2)

Verivery saina aho indraindray, tsy tsaroako akory ny nahatonga ahy tety
Sa ve izany no lalàn'ny fitia?

Ref (x4): Fa na lavitra, na akaikinao, tsy noterana f'izaho no nampijaly ahy
Na ho lavitra, na akaikinao, tsy manadino n'aiza n'aiza ilay toky nomenao

Na hifafy, na hikija, na hiafy ny oram-be; miandry anao aho
Na oviana, n'aiza n'aiza, tsy voafaritra hoe hatraiza; miandry anao aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tif à Tif
Vangy : 5842
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ketsmets
Daty : 28/03/2010 20:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115