Tsapako amin'izay (Tif à Tif)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Feno hery aho
Feno tsiky tamin'ny ora farany
Isika nifandao teo ambaravaranao
Tao ampoko, tany antsaiko
Feno fanantenana anie
Fa ho resiko eto anio
Ilay alahelo anao iny e

Lasa ny andro iray (Ny alin'iny aho)
Dia mbola niezaka nihomehy
Andro hafa indray (Ny ampitso)
Nianalefaka ilay feo

Rehefa lavitra anao, manirery kely aty
Rehefa tsy eo anilanao
Dia mahatsiaro aho fa very
Aiza indray no ahitako hazavana toy iny
Sady tsy ho tratry ny aiko ny alahelo
Ny alaheloko azy iny (2*)

Manodidina ahy rehetra toa hafahafa fijery
Misy zavatra tiany ambara
Te hiombona alahelo
Tao ny ontsa tao ny faly
Nahita ahy nanirery
Na ny fahavaloko aza anefa
Mba nitempo kely ho ahy

Lasa ny andro iray (Ny alin'iny aho)
Dia mbola niezaka nihomehy
Andro hafa indray (Ny ampitso)
Nianalefaka ilay feo

Rehefa lavitra anao, manirery kely aty
Rehefa tsy eo anilanao
Dia mahatsiaro aho fa very
Aiza indray no ahitako hazavana toy iny
Sady tsy ho tratry ny aiko ny alahelo

Tsapako amin'izay zany hoe lavitra anao
Reko mahavaivay anaty foko ao
Tsapako eto indray ireny andro maro aho tsy natory
Mitamberina eto indray ireo andro rehetra nampahory

Rehefa lavitra anao, manirery kely aty
Rehefa tsy eo anilanao
Dia mahatsiaro aho fa very
Aiza indray no ahitako hazavana toy iny
Sady tsy ho tratry ny aiko ny alahelo
Ny alaheloko azy iny
--------
Lien:
Commentaires
J.Ranie ( 21/02/2017 13:37)
mafatifaty b dhl narw bisouuu b mouaaah sad tiko b io hiranarw io
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tif à Tif
Visites : 18276
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 08/03/2015 14:09
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121