Taloha sy ankehitriny (THT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taloha sy ankehitriny - tononkira

??Réfrain :
Mbola tadidinao ve reny amizao? Nilokaloka sy ny voady tsy hifandao
Mbola tsaroanao ve hoa fony tsika nihaona e? k’aiza hoa aiza ilay tamzany ny amizao
Mbola tadidinao ve reny amizao? Nilokaloka sy ny voady tsy hifandao
Mbola tsaroanao ve hoa fony tsika nihaona e? k’aiza hoa aiza ilay tamzany ny amizao
Sphynx
Mbola tanora dia nifankafantatra, niaraka sady nifankatia fatratra
Niara nivoady hoe tsika tsy hisaraka, mpifankatia dia isika fitaratra
Niara namaritra tanjona, niara nibanjina, nahay nifanaja, samy nitandrina
Naniry zanaka roa, lahy ny voaloha dia vavy ny zandriny yo
Nifanome toky, hoe nentsika fitiavana foana no mandeha aloha
Fijery mitovy, hoe raha tsy mety am’ray amtsika mety hoe tsy mahasoa
Nafàna ny fitiavantsika, izay nahita dia nitsiriritra
Atram’ny invitation am marriage-tsika efa ela no vita
Efa kobon’ny fianakaviana, ianao efa miditra an-trano
Nialohan’ny nahafaty an’I dadanareo, za efa nomeny tso-drano
Isaka efa ohatran’ny mpivady fa fotoana sisa no nandrasana
Peratra efa eny am Tanana fo sy fanahy efa mifampitantana
Aveo , afaka bacc, samy naniry ny ho mpianatra ankatso
Enao moa tafiditra fa za tsy tafa sady nanomboka nankafy vazo
Nanomboka teo dia nifalavitra, samy nanana ny namany
Ny ahy niampy complexe , henatra alahelo sy ny tariny
??Réfrain :
Mbola tadidinao ve reny amizao? Nilokaloka sy ny voady tsy hifandao
Mbola tsaroanao ve hoa fony tsika nihaona e? k’aiza hoa aiza ilay tamzany ny amizao
Mbola tadidinao ve reny amizao? Nilokaloka sy ny voady tsy hifandao
Mbola tsaroanao ve hoa fony tsika nihaona e? k’aiza hoa aiza ilay tamzany ny amizao
Jizz :
Tamin’ny voaloha aho tonga nitsena, ianao nefa tsy afaka lava
Fotoana niarahana nihena, enao koa taraiky foana vo mirava
Weekend sisa no mba miaraka ka rehefa vita ny atao dia mangina
Tsy mahita resahina tsony satria tsy mitovy ny zavatra tiana
Enao mila fiainana tsotra, za nefa te ho olo-malaza
Mbola manofy ny itety ny tany, nefa ianao kosa efa maniry zaza
Nanomboka teo disadisa, nalaza aho hoe naditraditra
Satria hoe mpanao mozika, ny akamanao koa efa tsy tia antsika
Tsy aiko raha hoe mbola ao, ilay fitiavantsika taloha reny
Na hoe efa samy te hiala fa mbola tsy misy masaky miteny
Satria samy niova, samy nivotra lasa samy hafa ny fomba fisainana
Ireo toetra ratsy samy nivoka, f’efa tsy ao intsony ilay fifandeferana
Tsy ianao no diso na hoe za f’aloha lotra tsika no nihaona
Efa ho 3 taona be zao nefa isika vo raopolo taona
Ankehitriny mifanena, ohatran’ny hoe tsy mifankahalala
Satria ilay fo nifampiakina taloha iny no lasa mifankahala

Réfrain :
Mbola tadidinao ve reny amizao? Nilokaloka sy ny voady tsy hifandao
Mbola tsaroanao ve hoa fony tsika nihaona e? k’aiza hoa aiza ilay tamzany ny amizao
Mbola tadidinao ve reny amizao? Nilokaloka sy ny voady tsy hifandao
Mbola tsaroanao ve hoa fony tsika nihaona e? k’aiza hoa aiza ilay tamzany ny amizao
Farao:
Tsara ireny taloha reny f’indrisy amizao, toa tsy tafiaraka ny lalantsika niova eh
Lasa nisampana tsy nahenoina vaovao, tsy ampy afanàna intsony aho tamàna anao hody eh
Samy efa namadika pejy izao oh, na dia tsy ampy aza ny nomeko eh
Mety hoe mba sambatra aho ra teto enao oh, saingy efa nataoko tsika ze nety eh
Tsy Anjara netsika ka tsy maintsy hoe avalona any eh, na dia marary eh, na dia marary eh
Ny anadino anao ve ?tsy ho vitako eny ihany izany eh…

Réfrain :
Mbola tadidinao ve reny amizao? Nilokaloka sy ny voady tsy hifandao
Mbola tsaroanao ve hoa fony tsika nihaona e? k’aiza hoa aiza ilay tamzany ny amizao
Mbola tadidinao ve reny amizao? Nilokaloka sy ny voady tsy hifandao
Mbola tsaroanao ve hoa fony tsika nihaona e? k’aiza hoa aiza ilay tamzany ny amizao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : THT
Vangy : 746
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andryangelove
Daty : 26/07/2022 17:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756