Nofy tsy tanteraka (Tempo Gaigy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Réf(1):Indraindray izaho mitomany e!
Na omaly na androany nanonofy anao foana aho
Tamin’izay eny hatrizay
Nahatsiaro anao indray izaho

Réf(2):Na omaly na androany nahatoky anao foana aho
Hatrizay eny hatrizay nanaiky anao foana aho

Tsy mahafoy anao aho e! Tsy mahafoy anao e!
Efa lasa adala anao ny fo
Na dia mba manoroka anao
Dia fafanao amin’ny tanana foana
Fitiavana tsy toy ny taloha

Mbola azoko atao moa ve? azoko atao e!
Ny manonofy anao; mahatsiaro anao
Hambaraiko anao avy eo dia hotantaraiko anao
Ireo lasantsika teo aloha

Na omaly na androany nahatoky anao foana aho
Hatrizay eny hatrizay nanaiky anao foana aho

Na,na,na,na (3)
Efa lasanao ny foko; efa lasanao e!
Lasa tsy naverinao intsony
’Zaho rehefa manoroka anao
Voarorarora foana
Jerenao ambany aho dia ambony
Tsy mahafoy anao nefa aho, toa tsy mahafoy anao
N’aiza n’aiza tany alehanao
Hivavaka ho antsika angamba no sisa azoko atao
Na maty aza tsy mba foiko ianao

Indraindray izaho mitomany e!
Na omaly na androany nanonofy anao foana aho
Indraindray ’zaho mitomany e!


Tempo Gaigy!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tempo Gaigy
Vangy : 5254
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Francia
Daty : 27/04/2003 13:28
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1877