Mora tezitra (Tempo Gaigy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Tsy manan-tsafidy aho)

Efa nihafiako hatry ny ela
Nanantena anao mba hiova aho
Tiako hoe tsisy iray tavela
Ilay toetra

Ianao mora tezitra e,
Ianao moa be fo ô,
Ianao tsy mba mihevitra e,
Fa dia mora misafoaka.

Ianao mora tezitra e
Sy be hambom-po ô
Na hiroso aho na hihemotra e
Dia efa tsy afa-miala aminao.
Dia efa tafalatsaka aminao.
Ilay toetranao mankaleo anefa...

Matimatinao zah,
Matimatinao mihitsy aho
Ny alin'iny e
Dia tsy nahita tory aho ô

Nitsapatsapa anao zah,
Nitsapatsapa anao niantso aho
Sao dia libre ianao
Fa tsy manan-tsafidy aho

Indraindray te handefitra e
Fa manindry fo ô
Tabataba no setriny e
Eny imason'olo ô

Mbola ho lava ny lalako ô
Ny anao mety ho hatraiza e?
Mety ianao ve no anjarako ô?
Mbola manontany tena aho.

Mitsiky tsiravina izay ianao
Dia manao fijery hafahafa
Dia akapokapokao ny varavarana
Saingy ny aty efa zatra.

Sao dia tsy rariny indray a,
Misolelaka ianao amin'ny hafa,
Aty ianao miseho milay a,
Sa ve izaho olo-mahantra.
(Sa ve zaho olo-mahantra!!!)

Ilay toetranao mankaleo anefa...


Matimatinao zah,
Matimatinao mihitsy aho
Ny alin'iny e
Tsy nahita tory aho ô

Nitsapatsapa anao zah,
Dia nitsapatsapa anao zah,
Sao dia libre ianao
Fa tsy manan-tsafidy aho

Matimatinao zah,
Matimatinao mihitsy aho
Ny alin'iny e
Tsy nahita tory aho ô

Dia nitsapatsapa anao zah,
Nitsapatsapa anao niantso aho
Sao dia libre ianao
Fa tsy manan-tsafidy aho

Ala-nenina no ataoko ô
Mbola fitiavako anao.
Fa mba reraka ny saiko ô
Rahoviana e.
Tsy manan-tsafidy aho.


Matimatinao zah,
Matimatinao mihitsy aho
Ny alin'iny e
Tsy nahita tory aho ô

Dia nitsapatsapa anao zah,
Nitsapatsapa anao niantso aho
Sao dia libre ianao

A/C Faniry Tempo Gaigy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tempo Gaigy
Vangy : 331
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 01/01/2023 02:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728