Lasa tsy voafafa (Tempo Gaigy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa ny andro iray , tsy niverina intsony
Vita tsy  voafafa , mampisento ny taloha
Lasa koa ’lay ora teo
Niazakazaka aok’ izany
Anilanao teo foana aho
Tonga hamafa ny tomany
     Mbola tiako ianao tamin ’ izany.. .. x2
     Mbola averiko eto , averiko eto androany
     Ny ho aviko aza mbola ianao ihany
  Mitamberina eto androany reo
  Tiako ho lazaina aminao
  Mbola tiako ianao..x2
  Hanova lay tantara ho vaovao

REF : ’Zay lasa tsy voafafa tsika taloha
Dia tonga nofinofy hambabo ny fo
Ka hifamela indray izaho sy ianao
Hanohy ilay fiainam - baovao
Nomeko anao izay rehetra hananako
’ Zay fiainana sy kely anjarako
Omeko anao , ka aza asianao teny
Tsy asianao valiny ireny

      Lasa ny andro iray
      Tsy hiverina toko
      Lalan- kafa indray ’ zao
      No hizoran - tsika roa
      Ny orana hifafy , kotro baratra aok ’ izany
      Efa zatra niafy aho
      Teo anilanao teo ihany

Mbola tiako ianao ..........

Mitamberina eto .............

Ref : ’ zay lasa tsy ho ........ x2

- Mino aho fa ho tantananao
-Lalan- tsarotra maro be
-Eo ampelan- tananao
-Lay tantara anay iray .
      
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tempo Gaigy
Vangy : 4753
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : 12
Daty : 29/02/2008 13:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3887