You are here: home > Tononkira > Tempo Gaigy

Dokotera misafosafo (Tempo Gaigy)

"Dokotera ô! ’zaho anie tia anao
Fa ianao no tsy tia anahy e!"

Dokotera ianao ô! falifaly ery hoa ’zaho
Sarokitika aminao hoa ’zaho,vao mahita ny tànanao
Sarokitika aminao hoa ’zaho,vao mahita ny tànanao
Mampi-te ho: an! an!
Dokotera ianao ô!

Dokotera ianao ianao e, falifaly ery hoa ’zaho
Falifaly ery, marary aho e marary e!
Dokotera ianao ianao e
Mahafinaritra ery hoa ’zany
Mahafinaritra ery aty aminao aty

Manontany anao hoa ’zaho (2)
Ianao ve Dokotera, ianao célibataire
Dokotera ianao ianao e, falifaly ery hoa ’zaho
Falifaly ery, Dokoterako iny ô!

Mahafatifaty ery Dokoterako ô!
Mampi-te-ho tia e! (2)
Mahafatifaty ery Dokoterako ô!
Mampi-te-ho tara! (2)
Mahafinaritra ahy ery ny safosafoanao
TsapatsapTsiky dia ampyaina amin’ny tànana
Tànana havia sy havanana e!

Te-hizesta aminao hoa ’zaho     ]
Te-hitsetsoka aminao  hoa ’zaho ]
’Zaho anie ka célibat           ] (2 fois)
Dokotera ianao ô!               ]

Dokotera ianao ô, falifaly ery hoa ’zaho...

Dokotera andao handihy e
Ndao mba handihindihy e!
Ndao itsika hanao la vie e!
La vie, la vie, la vie e!

Hi-boum itsika, hi-boum hi-boum tsa tsa tsa
Hi-boum tsa tsa tsa, ’zaho hoa mirevy an’ialahy
Hi-bal itsika, hi-bal hi-bal tse tse tse
Hi-bal tse tse tse, ’zaho hoa mirevy an’ise

Dokotera ataoko mafana e!
Tsotsofy aho fa tamàna e!
Miakatrakatra ny hafanana
Midobodoboka be mazàna

Dokotera ianao ianao, falifaly ery hoa ’zaho

"Dokotera ô! ’zaho anie tia anao
Fa ianao no tsy tia anahy e!"

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tempo Gaigy
Mpamaky : 3368
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Domoina
Tamin'ny : 01/04/2003 15:13:15
ID : 1557

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo