Bôfy sy Baina bordel (Tempo Gaigy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Baininareo mampiaraka
Itsika sy ianao mampiaraka
Bôfinareo mampiaraka
Itsika koa mba miaraka
Samy mandeha mitsikaraka
Itsika tsy mahazo misaraka
Eny e! ’zany e!
Toa samy manao izay tiany ô

Baininareo bordel
Ny kôtikôtiany makorelina
Bôfinareo toa mi-scène
Raha mirevy dia izy no mi-pail
Mamelombelona kôfiboay
Mamelona no sady manenina
Nenina e! nenina e!
Avy eo izy manenina

Maditraditra maditra papa
Madididitra maditra mama
’Zahay ankizy hanao izay ataonao papa
’Zahay ankizy hanao izay ataonao mama
Rahoviana papa vao tsy hitabataba
Rahoviana mama vao tsy hivazavaza
F’izahay ankizy koa mba maimay vava
F’izahay ankizy tsy te- hitabataba ô!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tempo Gaigy
Vangy : 4599
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Domoina
Daty : 03/04/2003 12:55
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0644