Fanirian'ny foko (Telonohorefy Famonjena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fanirian'ny foko efa hatrin'ny ela
Mba ho foana ny ota sisa tavela
Izay mbola mitambesatra ka mila tsy ho zaka
Ry Tompo ampio fa mba te hitraka

Fanirian'ny foko efa hatrin'ny ela
Mba ho foana ny ota sisa tavela
Izay mbola mitambesatra ka mila tsy ho zaka
Ry Tompo ampio fa mba te hitraka

REF: Raha eo Ianao ho andry hiankinako
Ary koa vavahady hidirako
Dia ho tena tafita ny fiaina-tsy hita
Ka dia ho voahisa ao am-paradisa
Fikasana tsara no mby ao anaty
Saingy ilay ratsy no mila tsy ho tanty
Fa manangoly izany fo fanahy sy ny saina
Ry Tompo henoy 'zato taraina

Antenaiko indrindra Ianao mba hamindra fo
Ity zanakao miverina mitodi-doha
Voro-damba no manolon-koditra
Ngolingoly torakovitra

Ka mba raiso re ry Ray
Torotoro ty fanahy
Atolory mba ho ahy
Fiainana mandrakizay

ref:..........
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Telonohorefy Famonjena
Vangy : 1163
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Leftia
Daty : 17/05/2019 08:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2339