mandehana (Telonohorefy Famonjena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hira fiderana isan'andro no venteso
Raha mbola azo atao satria
Hazavana lehibe toa masoandro
No mitsinjo antsika izao
Tsy mba misy azo afenina anie ny
Fo eo amin-dRay tandremo
Raha mbola misy ihany azo arenina dia aoka izay

Mandalo anie ny fotoana ka
Raha mety ihany dieny izao miaingà
Fa mielina toa zava-poana no hivahiniananao
Aoka ho tsaroanao hatrany fa ny ampitso
anie tsy fantatrao noho izany
Ndeha hiara-dia hitory fitia zay nozarainy taminao

Moa mba fantatrao fa ny anjely ao an-danitra ao
Dia faly éry mihira, mankalaza
Na dia kely dia kely mihoatra amin'ny Rainy
Tsisy sento , tsisy tomany intsony fa satria
Voavonjy ,voavonjy
Koa andeha isika ety an-tany
hanantona ny Mpamonjy

REF: Miomana miomana ianao ,miomana fandrao
Efa akaiky ny fotoana
ihavian'Ilay nifidy anao
Mitsangana, ka mandehana ianao
Ambarao sy lazao
Ndrao mbola misy any tsy mba nandre
Ho adinin'ny Tompo ianao
--------
Rohy:
Hevitra
haingotiana15 ( 02/03/2015 12:44)
mpihira tena ankafizinay efa hatr@ ela
tokoa ny telonohorefy famonjena
jolyanah ( 17/03/2016 11:05)
zay ko eee, :)
Tena tokony ho hira fiderana foana mihitsy no hiraintsika na aiza na aiza na amin'ny fotoana manao ahoana fa ny Tompo no nanome ny feo antsika dia tokony entina hanomezam-boninahitra Azy ny asany eee :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Telonohorefy Famonjena
Vangy : 1422
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : haingotiana15
Daty : 02/03/2015 12:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735