TANO MAFY (TDL (True Direction Life))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarobidy ny toerana misy anao
Efa maro koa ireo ezaka vitanao
Nefa ny sasany te hamotika handravarava
Miady mafy mba haka ny toeranao
Tsy voatanisa intsony ireo ady natrehanao
Tsy voambara intsony f’izao no lazaiko Anao
Ny lalao dia tsy ho ela dia ho rava tano mafy izay efa niaretanao

Tano mafy izay anananao Mba tsy hisy haka ny eo an-tananao
Ny fahavalo tsy faly aminao satria indro ianao manomana ny dia
Tano mafy tano mafy ie o (3x) tano mafy tano mafy izay anananao
Tano mafy izay anananao Mba tsy hisy haka ny eo an-tananao
Ny fahavalo tsy faly aminao satria indro ianao manomana ny dia
Tano mafy tano mafy ie o (3x) tano mafy tano mafy izay anananao

Sarobidy ny toerana misy anao
Tsy voavidy atakalo izao rehetra izao
Nefa ny sasany te hamotika handravarava
Miady mafy mba haka ny toeranao
Ny mpanenjika tsy lavitra akaiky anao
Ny fahavalo koa manenjika lava izao
Nefa ny Tompo dia tsy hamela anao ho rava
Fa ny tiany dia ho mpandresy lalandava

Ny satroboninahitrao tano mafy ie ô!
Izay niaretanao tano mafy ie ô!
Ny famonjen’ny Tompo anao tano mafy ie ô!
Ô tano mafy tano mafy ie ô! Tano mafy ie ô
Ô tano mafy tano mafy Tano mafy izay anananao (4x)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TDL (True Direction Life)
Vangy : 5855
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : niniekely
Daty : 05/05/2017 12:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712