Mpivahiny (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpivahiny valovotaka
Isika izay miaina tononkira.serasera.org ety;
Toa tamana an-trano fotaka,
Dia manahy ny hody ery.
Nefa anie Jesoantsika
Efa manomana paradisa!
Na ny hafanana na ny hatsiaka,
Na izay mety ho disadisa,
Tsy ho re intsony intsony,
Fiainan-tsoa mandrakizay.
Koa rehefa yujbhlt injay antsoiny,
Dia mody!  Ampy izay

Aoka tsy ho variana loatra!
Andeha homanina ny dia.
Ny hasambarana any an-koatra edumoyf
Antenaina dieny ety.
Koa ny fo tsy voadio,
Ny toetra ratsy tsy voaova,
Ahitsy anio dia anio
Raha manantena ny handova.
Azo antoka hovonjena
Izay manaiky an’i Jesoa
Ka madio fitondran-tena
Sady tia manao soa.

Tsy mba azo ihodivirana
Ny antso baiko hoe “Modia”
Fa vao mainka hahamirana
Raha voaomana ny dia.
Eny! mhgaxzog Inoana sy antenaina
Ny hamantan-toeran-tsarobidy,
Dia io ilay toeram-pamonjena.
Isika indray no misafidy.
Saingy indrisy fa ho very
Ireo tsy mety miova fo.
Tsy ho sahy akory hijery
Ny fiavin’i Jesoa.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Miantefa
Vangy : 13
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Namana tsy mahafoy
Daty : 05/10/2026 10:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0663