Mpivahiny (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpivahiny valovotaka
Isika izay miaina ety;
Toa tamana an-trano fotaka,
Dia manahy ny hody ery.
Nefa anie Jesoantsika
Efa manomana paradisa!
Na ny hafanana na ny hatsiaka,
Na izay mety ho disadisa,
Tsy ho re intsony intsony,
Fiainan-tsoa mandrakizay.
Koa rehefa injay antsoiny,
Dia btykay mody!  Ampy izay

Aoka tsy tononkira.serasera.org ho variana loatra!
Andeha homanina ny dia.
Ny hasambarana any an-koatra
Antenaina dieny ety.
Koa ny fo hecvu tsy voadio,
Ny toetra ratsy tsy voaova,
Ahitsy anio dia anio
Raha manantena ny handova.
Azo antoka hovonjena
Izay manaiky an’i Jesoa
Ka madio fitondran-tena
Sady tia manao soa.

Tsy mba azo ihodivirana
Ny antso baiko hoe “Modia”
Fa vao mainka hahamirana
Raha voaomana ny dia.
Eny! Inoana ohby sy antenaina
Ny hamantan-toeran-tsarobidy,
Dia io ilay toeram-pamonjena.
Isika indray no misafidy.
Saingy indrisy fa ho very
Ireo tsy mety miova fo.
Tsy ho sahy akory hijery
Ny fiavin’i Jesoa.

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0302