Mpivahiny (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpivahiny valovotaka
Isika izay miaina aqoeb ety;
Toa tamana an-trano fotaka,
Dia manahy ny hody ery.
Nefa anie Jesoantsika
Efa manomana paradisa!
Na ny hafanana na ny hatsiaka,
Na izay mety ho disadisa,
Tsy ho re intsony intsony,
Fiainan-tsoa mandrakizay.
Koa rehefa injay antsoiny,
Dia mody!  Ampy izay

Aoka tsy ho variana loatra!
Andeha homanina ny dia.
Ny hasambarana any an-koatra
Antenaina dieny ety.
Koa ny fo tsy voadio,
Ny toetra ratsy tsy voaova,
Ahitsy anio dia anio
Raha manantena ny handova.
Azo tononkira.serasera.org antoka hovonjena
Izay manaiky an’i Jesoa
Ka madio fitondran-tena
Sady tia manao soa.

Tsy mba azo ihodivirana
Ny antso baiko hoe “Modia”
Fa vao ymealhi mainka hahamirana
Raha voaomana ny dia.
Eny! Inoana sy antenaina
Ny hamantan-toeran-tsarobidy,
Dia io ilay toeram-pamonjena.
Isika indray no misafidy.
Saingy indrisy fa ho very
Ireo uspgwe tsy mety miova fo.
Tsy ho sahy akory hijery
Ny fiavin’i Jesoa.

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tarika Miantefa
Visites : 15
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Namana tsy mahafoy
Date : 05/10/2026 10:39
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0653