Sao re ho tara... (Tarika Miantefa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Impiry impiry moa ianao no nantsoin'Andriamanitra
Variana foana milalao, toa lasa any lavitra
Ka dia tsy mahare,
Na angamba hoe:
Avelao hiantso eo io fa izaho tsy hamaly
Na aoka aloha,
Andraso aloha
Fa Mbola manao zavatra hafa aho
Ka tsy afaka hamaly Anao

Sao re ho tara e!
Voarindrina ny varavarana
Izay ianao vao hiantsoantso mafy Azy
Fa hody amin'izay...

"Tsy fantatro akory ianao" hoy Jesoa,
"Mialà amiko,
mialà amiko ianao mpanao meloka"

Sao re ho tara e!
Voarindrina ny varavarana
Izay ianao vao hiantsoantso mafy Azy
Fa hody amin'izay...

"Tsy fantatro akory ianao" hoy Jesoa,
"Mialà amiko,
mialà amiko ianao mpanao meloka

Dia eo ianao, very ianao
Hangahiahy, ho very hitaraina lavitra ny Ray...
Miankina ny fanekenao ny Tompo Izay tantara Izay
Tandremonao sao tara, tsy aleo ve izao anio izao
Raha miantso anao Jesoa dia valio hoe:
Inty aho iraho...

Sao re ho tara e!
Voarindrina ny varavarana
Izay ianao vao hiantsoantso mafy Azy
Fa hody amin'izay...

Dia eo ianao, very ianao
Hangahiahy, ho very hitaraina lavitra ny Ray...
Miankina ny fanekenao ny Tompo Izay tantara Izay
Tandremonao sao tara, tsy aleo ve izao anio izao
Raha miantso anao Jesoa dia valio hoe:
INTY AHO IRAHO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Miantefa
Vangy : 425
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Namana tsy mahafoy
Daty : 31/03/2022 21:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1936