You are here: home > Tononkira > Tanora Masina Itaosy

Te-hahita Anao (Tanora Masina Itaosy)

https://tononkira.serasera.org/hira/tanora-masina-itaosy/te-hahita-anao

1- Miantso anao zahay ry Tompo ?
Maniry te hahita anao
Ny tavanao no irinay tokoa
Hamiratra anoloanay (anoloanay)
Takony avokoa ' reo ota
Mba tsy ho hitan'ireto masoko
F'Ianao ihany Jesosy ô!
No aoka ho tazako .

Fa na ny fahoriana na ny fijalijaliana
Ho foana maivamaivana avokoa raha ao Ianao Jesoa
Ho feno hamamiana sy ho fifaliana
Ny hira no dradradradraiko fa nahita Tsiky dia ampyanao .

2- Fa fototry ny fahotana
Ny fanalavirana anao
Manimba koa ny hadalana
Fanaon'izao tontolo izao ('zao tontolo izao)
Ndrao tonga tampoka Ianao Tompo
Hitsara izay rehetra natao, nataoko
'Zay mety ota no ialako,
ialako izao .

Fa na ny fahoriana na ny fijalijaliana
Ho foana maivamaivana avokoa raha ao Ianao Jesoa
Ho feno hamamiana sy ho fifaliana
Ny hira no dradradradraiko fa nahita anao .

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Mpamaky : 257
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 08/05/2020 06:52:54
ID : 12715

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo