Sokafy ny masoko (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ity kapoakako mangidy ity
Mamatotra ny fiainako
Mandrovi-damba aho toa kivy
Menatra anao Mpamonjiko
Nefa iverina hitanjaka eo imasonao ve?
Handimby ilay tao Edena fahizay
Hanontany tena indray hoe aiza izao no aleha
Hijaly an'eritreritra hangaiahy
Zay vao vaky tady hamonjy ilay fodiana
Ndeha izaha fanalahidy vaovao
Maika koa hitokan'efitra mangina
Ka hoe hitalaho: ny heloko avelao

Fiverenana:
Ry fanahin'ny Ray ambony mba midina
Hampahiratra ity masoko ity
Fa jambena ny ota feno haratsiana
Miangavy anao aho , sokafy hahafantatra anao

Ireo fahazarana fanao taloha
Re,indro atsahatro avokoa
Ka 'lay fanahinao mintsy no
Voalohan-daharana mba ho ampingako
'Lay fanahy ho ampinga izay ho an'ireo mpanaradia
Tsy kivy izy ireo ka tsy hania
Ho fitaratr'ireo jentilisa mbola maro
Izay tena hirariana koa hifoha (hifoha)
Faniriana sy hetahetan 'izy tompo
Ny hahatonga antsika ho tena zanany
Ho fanahy iray mitempo ato am-poko
Sy ao am-ponao hifankatia ho doria

Fiverenana : Ry fanahin'ny Ray ambony mba midina ...

A/C : SDN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 111
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 22:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723