Nenina (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fony aho mbola zaza no nampianarina
Hahafantatra Anao ry Tompo Mpamonjy marina
Dia reo hafatratra sy ireo anatranatra
Nomenao mba hananako fiadanana
Nefa indrisy fa nararako an-tany
Tsy nanaiky aho fa ho faty ireo izay tsy mino izany
Ka nihazakazaka nefa ho any an-davaka
Adino fa raha tsy eo enao dia tsy ho sambatra aho

Ankehitriny Ray o
Mba avelao izao ny heloko
F'efa nanota taminao, ka dia mifona tsotra izao
Ny fiainako dia neniko avokoa
Ireo fomba ratsiko dia neniko avokoa

Saingy mba nomenao talenta kely
De nihevitra aho fa afaka ny andeha irery
Kanjo vao niantomboka d'efa indro potraka
Soa iany teo ianao noantso ahy, niantoraka

Ankehitriny Ray o
Mba avelao izao ny heloko
F'efa nanota taminao, ka dia mifona tsotra izao
Ny fiainako dia neniko avokoa
Ireo fomba ratsiko dia neniko avokoa

Ankehitriny Ray o
Mba avelao izao ny heloko, ny heloko, ny heloko
F'efa nanota taminao, ka dia mifona tsotra izao
Ny fiainako de neniko avokoa
Ireo fomba ratsiko dia neniko avokoa

Aminao no atolotro ity fo.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 4256
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 17/06/2019 17:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734