Mila Anao (Tanora Masina Itaosy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mila Anao aho ka tsy haiko ny hangina tsy hiantso ny Anaranao.Mila Anao aho ho fanefitry ny ratsy handreseko ny fakam-panahy
Ka na sarotra aza anie ny dia, dia efa vonona aho hanolotra Fitia
Ho Anao Ray, ho Anao, ho mandrakizay
Zay vao tsapako tokoa fa hadalana ny mandà fa Jesoa Kristy
No nanolotra ny Ainy mba ho Famonjena antsika mpaniasia
Zany indrindra ry Raiko be Fitia no tsy amoizako Anao fa matokia
Ka matokia, matokia fa mandrakizay
REF : Avia Jeso Kristy, mila Anao 'zany dia
Hitari-dalana, mandra-pahatonga ary
Ka na loza na sabatra tsy, mba matahotra fa matoky
Manana Anao Jeso Tia Mpamonjy Mahery
2- Tsisy miafina eo imasonao Ray ny lalana ho diavinay
Nefa kosa ankehitriny Ianao manolotra fo vaovao
Mba hanananay fiainan-tsoa ery, tsy ho mpiasa tsy hahefa sanatria
Fa hazoto sy hanompo Anao ho doria
Tanjonay ny haneho am-pifaliana fa mamy ny eo Anilanao
Hampiseho sy hampitsiriritra ireo mbola manidy fo
Hahatonga azy ireo ho mpankato, ka hijoro sy ho tena sahy tokoa
Ho mpanompo mahasoa anio sy ho doria
REF:
Avia Jeso Kristy, mila Anao 'zany dia
Hitari-dalana, mandra-pahatonga ary
Ka na loza na sabatra tsy, mba matahotra fa matoky
Manana Anao Jeso Tia Mpamonjy Mahery
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Tanora Masina ItaosyVisites : 2928
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : Herizo15
Date : 08/05/2020 08:53