Anjarako, anjaranao (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fifaliako, ny fahasambarako
Dia ny eo Aminao (Jesosy)
Tsaroako avokoa ny diso teo aloha
Koa mba avelao (avelao)
Ianao no Aroko sady Andry iankinako
'Lay tena foto-tsoa, tsy manam-paharoa

Ny amiko izao no 'ndeha atolotro
Indro omeko Anao (Jesosy)
Ka ny fanahiko, ny saiko ny foko
Raiso hanjakao (hanjakao)
Ny vavako hitory ny Teny Masinao
Ny tanako hanao ny Asa Tsaranao

Fiverenana :
Anjarako sy anjaranao ry Mpino no mankatoa
Izay rehetra voalazan'ny Mpamonjy Tsitoha
Koa mahereza hatrany
Ny eto an-tany anie, mahavery raha diso fandeha

'Zao hita rehetra izao dia toa mambabo fo
Zava-poana ihany (mety lò)
Raha hifikiranao fa voninkazo soa
Mbola halazo ihany (mety lò)
Safidim-po madio no omeny anao anio
F'izao no tadidio, Jesosy no torio

Fiverenana : Anjarako sy anjaranao ry Mpino no mankatoa ... (×2)

A/C : SDN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 553
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 22:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0787