Karakarao (Tanora in Faith)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy fantatro raha fantatrao, tsy aiko aloha raha tsapanao
Fa mikorontana tanteraka izao tontolo izao
Tsy aiko raha mba itanao ve izany, tsy aiko raha mba enonao ihany
Fa mikorontana ambony ambany ny fiainana eto an-tany e

Ny Tompo efa nilaza izany ao anaty baiboly
Fa any am-parany any hoy ny teny dia hisy andro mahory
Ka araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao
Ho tia tena, ho tia vola ny olona eto amin'izao tontolo izao

Karakarao ny fanahy, homano ny mandrakizay
Fa izay vonona ihany no tsy hiaina an'izany
Tokana ny famonjena: mibebaka dia manolotena
Ho an'i Jesosy, tsy teriterena

Raha te handositra ny fahatezeran'Andriamanitra
Ataovy azo antoka fa ho any an-danitra

A/C : Isaia RABEARINTSOA
https://soundcloud.com/tanorainfaith/07-karakarao-tif
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora in Faith
Vangy : 1495
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Infaith
Daty : 11/09/2017 07:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1148