You are here: home > Tononkira > Tanora in Faith

Mifona (Tanora in Faith)

Manaiky aho fa tsy mendrika Anao
Nanao izay ratsy teo Imasonao
Variana tamin'izao tontolo izao
Niezaka aho niaina tamin'izao
Nandramako avokoa izay azo atao
Ninia tsy nahafantatra Anao aho

Menatra aho ny hanatona Anao
Nefa noho ny Teninao
Dia sahy aho, inty aho

Mifona Aminao Jesosy o!
Mifona Aminao aho

Raiso aho ho Zanakao, ho Mpanomponao,
Dia ho Tompo sy Mpanjakako Ianao

Miandrandra Tsiky dia ampyny Fitiavanao aho
Mangataka ny Famindram-ponao
Mangetaheta ny Fanahinao
Ny foko sy ny fiainako ho Anao
Ny lalako rehetra hazavao
Fikiro aho tsy hisaraka Aminao

Inty aho manatona Anao
Hiova ho olom-baovao
Dia sahy aho, Inty aho

Mifona Aminao Jesosy o!
Mifona Aminao aho

Raiso aho ho Zanakao, ho Mpanomponao
Dia ho Tompo sy Mpanjakako Ianao

A/C : Isaia RABEARINTSOA
https://soundcloud.com/tanorainfaith/08-mifona-tif

Mpihira : Tanora in Faith
Mpamaky : 1636
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Infaith
Tamin'ny : 22/11/2016 18:50:33
ID : 8973

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo