RAISO (TAFIA ( tanora fifoahazana Anosivavaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Maro ireo mihevitra fa rehefa miankanjo metimety
na koa manao fanatitra dia indro fa mandrotsaka vaventy
misy indray miavona miseho fa tena masina indrindra
tsy lazaina intsony ireo izay maka ny an'ny Tompo sy mijinja

Aoka aho tsy hitsara na hitsikera
samy ho tsarain'ny Tompo amin'ny asany
ireo mpanenjika ao afara foana no asany

Réf : Raiso, sokafy tsara ny fo
        raha te mba ho tafiarina ka mendrika ho ampakarina
       ho tafiditra any andanitra!!
       raiso aloha I Jesoa, sokafy tsara ny fo
       raha te mba ho tafiarina ka mendrika ho ampakarina
       ho tafiditra any andanitra!!

2) Alaim-panahy ny olona itondra sy ampiasa zavatra hafa
hanokonoko zavatra hitoky hisakelika kifafa
misy indray ireo izay milaza fa tsy misy ny Andriamanitra
tsy miraharaha mamingavinga fa izy no mamaritra

Aoka aho tsy hitsara na hitsikera
samy ho tsarain'ny Tompo amin'ny asany
ireo mpanenjika ao afara foana no asany

Réf : Raiso, sokafy tsara ny fo
        raha te mba ho tafiarina ka mendrika ho ampakarina
       ho tafiditra any andanitra!!
       raiso aloha I Jesoa, sokafy tsara ny fo
       raha te mba ho tafiarina ka mendrika ho ampakarina
       ho tafiditra any andanitra!!

A/C : Toky Rakoto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TAFIA ( tanora fifoahazana Anosivavaka)
Vangy : 12
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Andrianandrasana
Daty : 27/11/2024 14:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819