Tojo (Solo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako ny mihira
Hira toy ny anao
Hira tsy ho lefy
Na antitra aza aho
Natambatro ny hira
Nanasako anao
Hira ho ahy sy ho anao

Ho hira iray mampifandray
Satria fitia tsy lò
No tao am-po ka hita rano indray
Satria iray ny saina nikotrika
Ka hasandratra ho avo

Tiako ny ho tojo
Feo iray toy ny anao
Feom-boromanga
Mambabo ny fanahy
Natambatro ny hira
Nanasako anao
Hira ho ahy sy ho anao

Ho hira iray mampifandray
Satria fitia tsy lò
No tao am-po ka hita rano indray
Satria iray ny saina nikotrika
Ka hasandratra ho avo


Bodo & Solo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Solo
Vangy : 9007
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 27/02/2007 14:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1196