HO TONGA FIANARANA (3) (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Na inon'inona atao na aiza toera-misy anao
Dia aoka hijoro ho olo-marina hatrany
F'ilay Jesosy Tomposoa no lamba itafianao
Ho taratr'Izy eo amin'ny fiainanao

2- Ekena mety ho maro ireo, izay manenjika anao
Nefa aza kivy mivavaha hatrany hatrany
Fa izay manjoa anao izao efa nanjoa ny Tomponao
Fa fitiavana no namaliany ireo

3- Koa raha anananao tokoa ilay fitiavan'i Jesosy
Tsy hamaly ianao na hoe asian-dratsy
Ny Tompo tsara no jereo fa izy hampandresy anao
Koa mifalia fa handova fiainam-baovao

Ref: Ho tonga fianarana ho an'izay mino
No niantsoany anao koa mijoroa izao
Hanefa izany antso masina izany
Handresy lahatra ny olona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
Vangy : 1199
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jeremiar1
Daty : 08/02/2017 08:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752