Tiany (Seha-pitaizana JIZRAHIA Ambatolampy Antehiroka Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na Mafy Ny Adinao AnioTsarovy Fa Izy Eo Foana
Tsy Mandao Tsy Mahafohy
Satria Malalany Ianao
Indraindray Izay Antenaina
Toa Zary Tsy Misy Tanteraka
Hany Ka Azom-Panahy
Hanome Tsiny Anao Ry Ray
Minoa Fa Hainy ,Tena Homeny Anao
Raha Matoky Azy Ianao
Fa Ny Zanany Sy Ny Asan'ny Tanany Anie Ka Adidiny
Meteza Hanaiky Izay Lalana Hitondràny
Ary Tsarovy Fa Tiany Izaho Sy Ianao
Efa Nofinidiny
Indraindray Izay Antenaina
Toa Zary Tsy Misy Tanteraka
Hany Ka Azom-Panahy
Hanome Tsiny Anao Ry Ray
Minoa Fa Hainy ,Tena Homeny Anao
Raha Matoky Azy Ianao
Fa Ny Zanany Sy Ny Asan'ny Tanany Anie Ka Adidiny
Meteza Hanaiky Izay Lalana Hitondràny
Ary Tsarovy Fa Tiany Izaho Sy Ianao
Efa Nofinidiny
Fandalovana Ny Eto Havako
Miorena Ao Amin'i Jesoa
Ilay Vatolampy Tena Soa, Azo Antoka
Tsy Handiso Fanantenana
Minoa Fa Hainy ,Tena Homeny Anao
Raha Matoky Azy Ianao
Fa Ny Zanany Sy Ny Asan'ny Tanany Anie Ka Adidiny
Meteza Hanaiky Izay Lalana Hitondràny
Ary Tsarovy Fa Tiany Izaho Sy Ianao
Efa Nofinidiny
Efa Nofinidiny
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Seha-pitaizana JIZRAHIA Ambatolampy Antehiroka FitiavanaVangy : 69
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Ainathii
Daty : 13/04/2025 05:04
