tsy reraka izy (sami FJKM ITAOSY)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Raha toa ka nania,he nandà ‘lay Tompo tiaNofitahin-drendrarendra ka nivoaka indray ny vala
Dia onena anie ny Tompo, nitomany ny hadalako
Dia nitady ahy hatrany Izy, niverenako indray
Zany e! no fifaliany ,ny hahit’izay nanota
Mba hibebaka tokoa,hahatsiaro ny hadisoany
Ireo heloka vonoiny, sika aza hotrotrony
Ny any an-danitra mifaly,f’indro fa hita indray lay very
2-Raha nisy iray nanota,nohon’ny fiainana nanery
Tsy nahatsapa kely akory ,f’ao lay Tompo zay mahery
Dia tsy reraka anie Izy ,fa mitsilo antsika hatrany
Te hanolom-pitafian’Izy,tsy voapetin-donto intsony
Efa foiny anie ny ainy,ka niraraka ny ràny
E ! Nekeny ny hisolo ,heloka tsy Azy akory
Ny angatahiny isan’andro,sy ifonay amintsika
Ny hankato izay lazainy,dia ireo didy ‘zay nomeny
3-Raha lavom-pahotana noho ireo fatotra mangeja
Efa trotraky ny lasa ka mitady fiovana
Miverena ao am-bala f’ao lay Tompo mpiandry tsara
Izy hanolokolo anao indray e! Hiainanao ny sitrapony
Izy efa hatrizay no niantso fa niniana
Ho tsy re fa dia nariana ilay bitsika mangina
Izy anefa tsy namela ny handavanao lay antso
Fa naveriny ny feony ,feo miharo tambitamby
A.Edson Josoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : sami FJKM ITAOSYVangy : 48
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : feotsotrakoto
Daty : 04/03/2025 07:34
