tsy reraka izy (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Raha toa ka nania,he nandà ‘lay Tompo tia
Nofitahin-drendrarendra ka nivoaka indray  ny vala
Dia onena anie ny Tompo, nitomany ny hadalako
Dia nitady  ahy hatrany Izy, niverenako indray
Zany e! no fifaliany ,ny hahit’izay nanota
Mba hibebaka tokoa,hahatsiaro ny hadisoany
Ireo heloka vonoiny, sika aza hotrotrony
Ny any an-danitra mifaly,f’indro fa hita indray lay very

2-Raha nisy iray nanota,nohon’ny fiainana nanery
Tsy nahatsapa kely akory ,f’ao lay Tompo zay mahery
Dia tsy reraka anie Izy ,fa mitsilo antsika hatrany
Te hanolom-pitafian’Izy,tsy voapetin-donto intsony
Efa foiny anie ny ainy,ka niraraka ny ràny
E ! Nekeny ny hisolo ,heloka tsy Azy akory
Ny angatahiny isan’andro,sy ifonay amintsika
Ny hankato izay lazainy,dia ireo didy ‘zay nomeny

3-Raha lavom-pahotana noho ireo fatotra mangeja
Efa trotraky ny lasa ka mitady fiovana
Miverena ao am-bala f’ao lay Tompo mpiandry tsara
Izy hanolokolo anao indray e! Hiainanao ny sitrapony
Izy efa hatrizay no niantso fa niniana
Ho tsy re fa dia nariana ilay bitsika mangina
Izy anefa tsy namela ny handavanao lay antso
Fa naveriny ny feony ,feo miharo tambitamby

                                                      A.Edson Josoa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : sami FJKM ITAOSY
Hits : 354
Likes : 0 Like
Created by : feotsotrakoto
Date : 04/03/2025 07:34
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0217