fitiavana (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1– Andriamanitra fitiavana
‘lay mpampiray sy mpampihavana
Asandratray ny Anaranao fa efa sitrakao
Ny hanome ny lahy tokana
Mba ho mpamonjy anay manokana
Sy hampifankatia anay ,hampifankatia
2-Afatotr’ilay fitiavana
Hifankatia sy ho mpihavana
Ho ao ambalanao ‘zahay ka ho ten’iray
Hiaraka hanandratra ao ampo
Hitory an’Andriamanitra tsitoha
Hilaza fitiavana , fitiavana
REF:Mitsangana mandehana ka zarao
‘lay fitiavana nitavako anao
Afafazo mba hahazo fitiavana
‘zao tontolo izao hifampihavana
   RAKOTOSAMIMANANA Tantely Herinjato
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : sami FJKM ITAOSY
Visites : 218
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : feotsotrakoto
Date : 03/03/2025 08:42
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5825