atolotray (sami FJKM ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1– Efa impiry moa aho Jesoa
No nantsinao mba hanompo Anao
Nefa toa variana tsy mahatsiaro Anao e!
Raha tsy misy zavatra manjo
Ka ifonako Aminao ireo hadalàna vitanay
Ireo fahotana mba sasaonao e ,Amin’ny lay rànao soa

2-Tompo mahery Ianao,ianao  no hitari-dalana
Amin’ireo asa fanompoana atao e !
Mba tsy ho solafaka ny dia
Ianao no kapiteninay,tsy hana-tahotra tokoa ‘zahay
Ireo fahavalo misakana ny dia e! ho resenay mora foana
REF:
Ray ô! Atolotray Anao nio izao
Izay rehetra nomenao ry Ray
Mba hiderana ny Anaranao
Izao no voady ataonay anio ry Ray
Tsy hivadika Aminao tokoa ‘zahay
Fa hanompo Anao mandrakizay

                      A.Hery Razanakoto
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : sami FJKM ITAOSY
Visites : 243
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : feotsotrakoto
Date : 03/03/2025 08:14
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0833