O foko o (Rija Rasolondraibe)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô ! foko ô ! (2)Aleoko ihany ianao
Mba hadio izany foko izany
Ô ! foko ô !(2)
Tsy hanan-tsiny anie
Ianao izany foko izany
Feno loatra ianao
Dia mararirary ny aina
Misendoatra ianao
Dia mitritra toy ny tany karakaina(2)
Tsy ho tany karakaina (3)
Fa hiboiboika ny ranon’aina
Mavamavana
Ny fo mampihavana
Maivamaivana (2)
Ô ! foko ô !(2)
Aza mety dokafana ianao
Sao dia lasa misengisengy
Ô ! foko ô !(2)
Aza mety dokafana ianao
Sao dia lasa mirengirengy
Fa raha tezitra ianao
Tsy ho tratry ny andro milentika
Fa raha tezitra ianao
Mba meteza hamela matetika
Hamela matetika(3)
Tsy ho tratrin’ny andro milentika
--------
Rohy:
Hevitra
hery
(
14/08/2024 18:45)
Efa ato ity tononkira ity ka hofafaina rehefa hitanao ny hafatra.
https://tononkira.serasera.org/hira/rija-rasolondraibe/o-foko
https://tononkira.serasera.org/hira/rija-rasolondraibe/o-foko
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Rija RasolondraibeVangy : 126
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fenomenaly
Daty : 14/08/2024 16:25