Miorena (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miorena

Miderà,mankalazà
Omeo Azy ny voninahitra
Izy ilay Tompo Andriamanitra Avo indrindra
Izy mitantana sy mandrindra
Tolory ny haja sy ny fisaorana

Fiv/ Samia mifaly fa notahiana isika
Arabaina,velon’aina
Hatrizay,hatrizay
Nitantanany antsika
Nikoloina ny finoana
Miorena(2) tsara,aza miova
Miorena(2) tsara,aza miova

Miasà,miasà
Amin’ny asan’ny Tompo rahalahy
Satria fantatrareo fa tsy foana akory
Na mihira hianareo na mitory
Fikelezan’aina ho amin’ny Tomponareo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 9607
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Verohanitra
Daty : 11/08/2003 12:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8484