Mandohalika (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inty aho, vonona hideranao
Ho anao manontolo
Mitady anao aho,
Natokako avokoa
Ny fanahiko maniry anao tokoa ooo!!!

Ref:
Mandohalika aminao any aho Jesôsy ô!
Mandohalika mitsaoka ny anaranao
Fonosy ny hazavan'ny tavanao anie fo
Ka ny mason'ny fanahiko hifoha!

Inty aho, vonona hideranao
Maniry mafy anao
Toy ny tany karakaina,
Mila ny andon'ny maraina
Mila aina vaovao.

Ref: .....

Inty aho, rakofy fitahiana!
Fa manantena anao
Manatena anao tokoa!
Efa vonona hanao,
Hanao ny sitrakao!

Ref:
Mandohalika aminao any aho Jesôsy ô!
Mandohalika mitsaoka ny anaranao
Fonosy ny hazavan'ny tavanao anie fo
Ka ny mason'ny fanahiko hifoha! (X2)

Ka ny mason'ny fanahiko hifoha! (X2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 1391
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 07/01/2021 18:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2324