NOSOLOINY (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nosoloiny olon-kafa hono ianao
Sady koa nokasainy nafoy
Notefeny ho fiainam-baovao
Ny fitiavany mba ho matoy
Fa na hoe tia azy ianao, tsy nohenoiny
Nafoiny mihitsy ary ireny nosoloiny

Fa mbola hita sy tsapa ny lasa
Izay niarahana tsy ho voafafa
Ny manadino azy angamba no tsy vita
Teo foana ampangina tsy tanisanisa

Tia azy ianao fa tsy nohenoiny
Nafoiny minhintsy ary ireny nosoloiny

Fa iza moa ianao
no dia hahalala, izay no tiany
Ka hametra izay safidim-pony hoe :
tsy maintsy tia anao

Fa na dia tia azy ianao
Ilay hoe tia adala, tamin’iny
no mety ho marina izany
nefa izao amafiso ny fonao

Fa mbola hita sy tsapa ny lasa
Izay niarahana tsy ho voafafa
Nalahelo be hoy ianao tsy hitomany
Kanefa ny omaly efa lasana any

Tia azy ianao fa tsy nohenoiny
Nafoiny mihintsy ary ireny nosoloiny
Jereo ny maraina vaovao
Mbola hisy mamaritra ho anjaranao
Henoy ny ao am-ponao ny feon’ny fanantenana
Fa hisy masoandro hitondra hafanana
Mbola hisy fanilo hafa indray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Ramanantoanina
Vangy : 5580
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ram7s
Daty : 14/01/2014 12:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752