Feo miantso (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Njay misy feo miantso reko
Toa feo miangavy mora hoe
Atolory ahy izay entanao
Zakaiko koa ny hasasaranao.

Feo mahalala izay ilaiko
Mahita izay adin-tsaiko
Feo te hizara izay ao am-po
Fitiavana ahy tsy mba roa.

Tompo ô! Ny antsonao no reko
Fony izaho mbola tsy nino
Dia nataoko tao am-babeko
Izay mihatra mila hamolaka ahy.
Saingy izao miditra ao am-poko
Ilay fitia natolotrao ho ahy
Nampitony sento toloko
Foana teo ny hasasarako am-panahy.

..................

Moa ve ny entanao rehetra
Sy izay mandreran-tsaina anao
Efa natolotra an'i Jesoa
Izy maniry ho namanao.

Ny vesatry ny ferin'aina
Ny loza manjo rehetra
Ny ahiahy tebitebim-po
Omeo azy avokoa!

Dia hialao amin'izay ireo sento
F'efa tojo famonjena
Matokia ny fiainanao ento
Manontolo ho eo an-tanany.

Mandodona ao am-po ilay feony
Dia fitia tsy mba voafetra
Hasambarana no omeny
Misy Zoky manampy antsika anie!

Oh oh oh oh oh!!! Oh oh oh oh oh ooo....!!!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Rija Ramanantoanina
Visites : 8404
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : cesar.fanante
Date : 12/09/2019 17:00
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129